1. Behold, what manner of love the Father hath bestowed upon us, that we should be called the sons of God: therefore the world knoweth us not, because it knew him not.
1. Voyez quel amour le Père nous a témoigné, pour que nous soyons appelés enfants de Dieu! Et nous le sommes. Si le monde ne nous connaît pas, c`est qu`il ne l`a pas connu.
1. "Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika ho zanak’Andriamanitra; noho izany, tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy izy."
2. Beloved, now are we the sons of God, and it doth not yet appear what we shall be: but we know that, when he shall appear, we shall be like him; for we shall see him as he is.
2. "Bien-aimés, nous sommes maintenant enfants de Dieu, et ce que nous serons n`a pas encore été manifesté; mais nous savons que, lorsque cela sera manifesté, nous serons semblables à lui, parce que nous le verrons tel qu`il est."
2. "Ry malala, ankehitriny dia zanak’Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay; fa fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika; fa ho hitantsika Izy, araka izay maha-Izy azy."
3. And every man that hath this hope in him purifieth himself, even as he is pure.
3. Quiconque a cette espérance en lui se purifie, comme lui-même est pur.
3. Ary izay olona rehetra manana izany fanantenana izany ao aminy dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.
4. Whosoever committeth sin transgresseth also the law: for sin is the transgression of the law.
4. Quiconque pèche transgresse la loi, et le péché est la transgression de la loi.
4. "Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna."
5. And ye know that he was manifested to take away our sins; and in him is no sin.
5. Or, vous le savez, Jésus a paru pour ôter les péchés, et il n`y a point en lui de péché.
5. "Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra ny otantsika; ary tsy mba misy ota ao aminy."
6. Whosoever abideth in him sinneth not: whosoever sinneth hath not seen him, neither known him.
6. "Quiconque demeure en lui ne pèche point; quiconque pèche ne l`a pas vu, et ne l`a pas connu."
6. "Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay manota dia tsy nahita na nahalala Azy."
7. Little children, let no man deceive you: he that doeth righteousness is righteous, even as he is righteous.
7. Petits enfants, que personne ne vous séduise. Celui qui pratique la justice est juste, comme lui-même est juste.
7. "Rankizy madinika, aza avela hisy hamitaka anareo;izay manao ny marina no marina, eny, marina tahaka Azy."
8. He that committeth sin is of the devil; for the devil sinneth from the beginning. For this purpose the Son of God was manifested, that he might destroy the works of the devil.
8. Celui qui pèche est du diable, car le diable pèche dès le commencement. Le Fils de Dieu a paru afin de détruire les oeuvres du diable.
8. Izay manota dia avy amin’ny devoly, satria ny devoly manota hatramin’ny fiandohana. Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly.
9. Whosoever is born of God doth not commit sin; for his seed remaineth in him: and he cannot sin, because he is born of God.
9. "Quiconque est né de Dieu ne pratique pas le péché, parce que la semence de Dieu demeure en lui; et il ne peut pécher, parce qu`il est né de Dieu."
9. "Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny; ary tsy mahay manota izy, satria naterak’Andriamanitra."
10. In this the children of God are manifest, and the children of the devil: whosoever doeth not righteousness is not of God, neither he that loveth not his brother.
10. C`est par là que se font reconnaître les enfants de Dieu et les enfants du diable. Quiconque ne pratique pas la justice n`est pas de Dieu, non plus que celui qui n`aime pas son frère.
10. Izany no mampiseho miharihary izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay rehetra tsy tia ny rahalahiny.
11. For this is the message that ye heard from the beginning, that we should love one another.
11. Car ce qui vous a été annoncé et ce que vous avez entendu dès le commencement, c`est que nous devons nous aimer les uns les autres,
11. Fa izao no hafatra izay efa renareo hatrany am-piandohana: tsy maintsy mifankatia isika.
12. Not as Cain, who was of that wicked one, and slew his brother. And wherefore slew he him? Because his own works were evil, and his brother's righteous.
12. et ne pas ressembler à Caïn, qui était du malin, et qui tua son frère. Et pourquoi le tua-t-il? parce que ses oeuvres étaient mauvaises, et que celles de son frère étaient justes.
12. Tsy mba tahaka an’i Kaina, izay avy amin’ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary nahoana no namono azy izy? Satria ratsy ny asany, fa marina ny an’ny rahalahiny.
13. Marvel not, my brethren, if the world hate you.
13. Ne vous étonnez pas, frères, si le monde vous hait.
13. Aza gaga, ry rahalahiko, raha halan’izao tontolo izao ianareo.
14. We know that we have passed from death unto life, because we love the brethren. He that loveth not his brother abideth in death.
14. Nous savons que nous sommes passés de la mort à la vie, parce que nous aimons les frères. Celui qui n`aime pas demeure dans la mort.
14. Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana isika, satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia ny rahalahiny dia mitoetra ao amin’ny fahafatesana.
15. Whosoever hateth his brother is a murderer: and ye know that no murderer hath eternal life abiding in him.
15. Quiconque hait son frère est un meurtrier, et vous savez qu`aucun meurtrier n`a la vie éternelle demeurant en lui.
15. "Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny."
16. Hereby perceive we the love of God, because he laid down his life for us: and we ought to lay down our lives for the brethren.
16. "Nous avons connu l`amour, en ce qu`il a donné sa vie pour nous; nous aussi, nous devons donner notre vie pour les frères."
16. "Izao no ahafantarantsika ny fitiavan' Andriamanitra, satria Izy no nanolotra ny ainy ho antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika ho an’ny rahalahy."
17. But whoso hath this world's good, and seeth his brother have need, and shutteth up his bowels of compassion from him, how dwelleth the love of God in him?
17. Si quelqu`un possède les biens du monde, et que, voyant son frère dans le besoin, il lui ferme ses entrailles, comment l`amour de Dieu demeure-t-il en lui?
17. Ary izay rehetra manana ny haren’ity tany ity, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona tsy hangora-po aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavan’Andriamanitra ao aminy?
18. My little children, let us not love in word, neither in tongue; but in deed and in truth.
18. Petits enfants, n`aimons pas en paroles et avec la langue, mais en actions et avec vérité.
18. Rankiziko madinika, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina.
19. And hereby we know that we are of the truth, and shall assure our hearts before him.
19. "Par là nous connaîtrons que nous sommes de la vérité, et nous rassurerons nos coeurs devant lui;"
19. Izany no ahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany,
20. For if our heart condemn us, God is greater than our heart, and knoweth all things.
20. car si notre coeur nous condamne, Dieu est plus grand que notre coeur, et il connaît toutes choses.
20. Fa raha manameloka antsika ny fontsika, Andriamanitra dia lehibe noho ny fontsika ary mahalala ny zavatra rehetra.
21. Beloved, if our heart condemn us not, then have we confidence toward God.
21. Bien-aimés, si notre coeur ne nous condamne pas, nous avons de l`assurance devant Dieu.
21. Ry malala, raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahatokiana eo anatrehan’Andriamanitra isika.
22. And whatsoever we ask, we receive of him, because we keep his commandments, and do those things that are pleasing in his sight.
22. Quoi que ce soit que nous demandions, nous le recevons de lui, parce que nous gardons ses commandements et que nous faisons ce qui lui est agréable.
22. Ary na inona na inona angatahintsika dia raisintsika avy aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.
23. And this is his commandment, That we should believe on the name of his Son Jesus Christ, and love one another, as he gave us commandment.
23. Et c`est ici son commandement: que nous croyions au nom de son Fils Jésus Christ, et que nous nous aimions les uns les autres, selon le commandement qu`il nous a donné.
23. Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika.
24. And he that keepeth his commandments dwelleth in him, and he in him. And hereby we know that he abideth in us, by the Spirit which he hath given us.
24. "Celui qui garde ses commandements demeure en Dieu, et Dieu en lui; et nous connaissons qu`il demeure en nous par l`Esprit qu`il nous a donné."
24. Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.
<
>